Ny Gasy MMB dia fikambanan'olona maromaro avy amin'ny fiangonana maro samihafa, nahatsapa fa mila toerana na fomba hafa ahafahany mandinika ny Tenin'Andriamanitra misimisy kokoa ny Kristianina. Ny fampianarana rehetra omen'ny GasyMMB arak'izany dia fitaovana omena ny olona, hanokafana ny masony, handranitana ny sainy, hahay mamakafaka, mba hahatonga azy ireo hahazo tsara ny hevitry ny Soratra Masina.
Araka izany dia anarana sady tanjona ilay hoe GasyMMB => Gasy Mahay Mamaky Baiboly.
Tsara ny manamafy etoana fa tsy fiangonana ny Gasy MMB ary tsy ho tonga fiangonana mandrakizay.
Arak'izany dia tsy manao hetsika @ andro Alahady ny Gasy MMB mba hahafahan'ny olona mamonjy ny fiangonany tsirairay avy.
Ny ekipa Gasy MMB (Gasy Mahay Mamaky Baiboly)