Tsy inona akory ireo "Sola" resahina eto fa ireo fototra telo napetrak'ireo zoky tany amin'ny taonjato faha 16. (Réforme)
SOLA FIDE (Seulement par la foi): Amin'ny alalan'ny finoana irery ihany no andraisana ny fanamarinana avy amin'Andriamanitra.
SOLA GRATIA (Seulement par la grâce): Ny fahasoavany irery ihany no amonjen'Andriamanitra ny olona. Tsy avy amin'ny asa soa na fianarana na ezaka na inona na inona atao.
SOLA SCRITURA (Seulement par les écritures): Ny Soratra Masina irery ihany no ekena ho tenin'Andriamanitra. Koa noho izany; ny fombam-piangonana, ny fampianaran'ny fiangonana ary ny foto-pinoan'ny fiangonana dia tsy maintsy hamarinina sy refesina araka ny Soratra Masina.